4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ndao mba ! - Tovo j'hay

Raha sendra ka tojo sarotra
Tongava fa aza menatra
Raha toa ka tsy ampy tambitamby
Avia hisangisangy
Apetraho izay mety ho lonilony
Aza dia nenina intsony
‘Reo tebiteby tsy miala eto an-tany
Hajanony any

Nandao mba hiaraka
Tsy hisaraka
Hiara-hikalokalo aminareo
Hiara-hivazo, hiangaly feo

Ireo fendrofendro toa manorisory
Aleo any fa aza sainina akory
‘Reo maizimaizina tsy mety mazava
Ento aty raha tianao hisava
Apetraho izay mety ho lonilony
Aza dia nenina intsony
‘Reo tebiteby tsy miala eto an-tany
Hajanony any


                                        Atolotra am-pitiavana ny MPANKAFY
24/12/02

Partager ndao mba !

Commenter ndao mba !

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tovo j'hay

Suite